Hifidy Gitara

Salama daholo – inty ny lahatsoratra voalohany izay hosoratana eto ka aleo dia atomboka amin’ilay fitaovana izay fampiasan’ny mpitendry (ho an’izay te hividy vaovao). Ho an’ny mpanalazy dia gitara akoustika no resahana eto satria ny gitara elektrika mila zavatra maro miaraka aminy (ampli, cable, sns).

Tady vy sa nylon

Ny gitara mampiasa tady vy matetika no be mpanana satria mety hitendrena gadon-kira maro (Mahaleo, Kiaka, Tirike, etc…) sady mora solona ny tadiny.

Betsaka amintsika koa anefa ny manana gitara klasika (tady nylon) ary dia tsara tokoa ny mitendry azy indrindra rehefa mitendry Erick Manana na hira nosoratan’i Dadah Rabel (Mahaleo). Ny hira mampiasa tendry gasy (CGDGBE) dia matetika gitara klasika no tena tsara hitendrena azy.

Raha ny tsara ary raha misy ny fahafahana dia tsara kokoa manana an’izy roa, indrindra raha tia manao tendry gasy, amin’izay tsy miovaova firy ny tuning.

Hazo (bois solide sa stratifiee)

Tsara kokoa raha bois solide no hazo hampiasana satria tena mivoaka tsara ilay feo, kanefa lasa mahalafo an’ilay gitara io. Mety sarotra raha any Madagasikara ny hoe bois solide ny guitar manontolo noho ny vidiny, fa raha azo atao dia ny tampon’ilay gitara (top) dia bois solide satria ny tampony no tena mamoaka ny feo.

Maro ankoatran’ireo ambony ireo ny zavatra mety ho tadiavan’ny mpitendry rehefa mijery gitara (vidiny ohatra, ny angezan’ny gitara, elektronika miaraka aminy, elektrika sa akoustika) fa ireo ambony ireo no vitsivitsy afaka hanombohana raha hanala azy fotsiny. Hanome marque vitsivitsy eo ambany ao ny tena raha mety hahasoa.

Gitara tady vy (steel string)

-Takamine: inty marque ity no tena malaza fampiasan’ny mpihira/mpitendry ao Madagasikara. Dama (Mahaleo) no tena malaza mpitendry  Takamine, fa misy hafa toy i Tovo J’Hay, Ambondrona

Takamine G70

Takamine G70

Yamaha: Toa betsaka ny hita mitendry azy tamin’i Coulisse en TV plus

Yamaha F325

Yamaha F325

Gitara klasika

Yamaha: Raha mampitovy ny kalitao sy ny vidy dia tena tsara ny gitara klasikan’ny Yamaha

Yamaha C40

Yamaha C40

Marihina fa raha hividy gitara dia ny tsara indrindra ny manandrana mitendry maromaro ka dia izay mety amin’ny sofina no vidina. Torohevitra ihany ireo ambony ireo.  Ho an’izany mipetraka any ivelany dia manana safidy maro kokoa arakaraky ny fahafaha-mividy (Martin, Taylor, Gibson, Godin, etc…).

 

 

5 comments on “Hifidy Gitara

  1. Tixah Raf says:

    Manaja e, Inona kai no dikan’ilay * hapetakareo amlay accord ireny azafady? (Oh: G*, A*)

  2. Manantsoa says:

    Misaotra betsaka tokoa fa tena manampy amin’ny fianarana guitare ianao tompoko.

    sao dia mahita tondrompeo ” Tsara petrapetraka” Tselonina

  3. Njaka says:

    Salama Tompoko,
    Misaotra betsaka fa dia nanampy tokoa ny torohevitra izay nomenareo. Aza kivy fa mahafinaritra ny zavatra atao.
    Mankasitraka e,

    • acoustikgasy says:

      Misaotra tompoko…izy ity sady natao hozaraina amintsika namana no atao tahirin-kira rehefa mba te hitendry ka izay no mampazoto ny tena…dia misaotra amin’ny hafatra mahafinaritra e…mazotoa mitendry

Leave a comment

This site uses Akismet to reduce spam. Learn how your comment data is processed.